- Publicité -
jeudi, août 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIlakaka : Namoahana didy fampisamborana ilay nanambana basy mpanao gazety

Ilakaka : Namoahana didy fampisamborana ilay nanambana basy mpanao gazety

Fandrahonana ho faty tamin’ny fitaovam-piadiana. Izay no anton’ny fitorian’i Fernand Cello, mpanao gazetin’ny Radio Jupiter, an’ilay olona saika hifaoka azy tamin’ny môtô sy hitifitra azy tamin’ny basy tao amin’ny faritra arovan’ny Bepeha-Bekaraoka. Tsy niandry ela ny Tonia Mpampanoa lalàna fa omaly ihany dia navoakany ny didy fampisamborana ilay saika hahavanon-doza. Ny zandary no nanankinany ny fampiharana izany didy izany. Omaly ihany koa dia nanao fanambarana ny Filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety, Gérard Rakotonirina, mahakasika ity tranga ity. “…manameloka ny herisetra na ny fandrahonana atao amin’ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany. Anisan’izany izay mitranga ao Ilakaka ka nandrahonan’ny olona iray mpanao gazety miasa ao an-toerana ka mety hisy akony amin’ny fantanterahany an-kahalalahana ny asany…” raha araka ny ampahan-dahatsoratra hita tao anatin’izany fanambaràna izany. Midika izany fa miakatra amin’ny amabaratonga ambony amin’izao fotoana izao ity raharaha ity. Zavatra izay efa neverina ihany satria ny faritra arovana dia tsy azo hidirana ary indrindra koa tsy azo itrandrahana. Voamarika ao anatin’ny fehezan-dalàn’ny fifanarahana iraisam-pirenena CITES izany ka rariny loatra raha hisy amin’izay ny fandraisana andraikitra matotra ataon’ny mpitondra fanjakana momba ity raharaha ity. I Fernand  Cello irery no mba hany sahy nampahafantatra ny gaboraraka misy eo anivon’ity faritra arovana ity. Amin’izao anefa dia mitady hihantraika amin’ny ainy izany : saika nofaohana tamin’ny môtô sy notifirina tamin’ny basy…

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser