- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversIlakaka : Ny voatafika indray no nolazaina fa mamo

Ilakaka : Ny voatafika indray no nolazaina fa mamo

Hafahafa ny fandehan-javatra ao Ilakaka amin’izao fotoana. Afak’omaly, raha araka ny voavao azo avy any an-toerana, dia nisy toeram-pivarotana saphir iray notafihan’ny jiolahy, saingy namaly tamin’ny basy ny tompon-trano ka mba tsy tontosa izany fa nitsoaka ny jiolahy. Maro no naheno izany fifampitifirana izany, saingy ny mpitandro ny filaminana sy ny faritra kosa dia nanambara fa nilamina tanteraka Ilakaka tamin’iny alina iny. Rehefa voaporofon’ny mpanao gazety iray tao an-toerana ny vaovao mifandraika amin’ny tsy mampitombina izany filaminana izany dia nolazaina indray omaly fa io farany no manely tsaho. Koa satria tsy maintsy nanazava ny sain’ny olona hatrany dia nolazaina indray fa tsy nisy nanafika izany ilay toeram-pivarotana saphir, fa ilay tompon-trano no mamo dia nanapoapaka basy… Serasera hafahafa sy tsy mangarahara !

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser