- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversIlakaka : Olona iray maty, iray hafa naratra mafy voatifitra

Ilakaka : Olona iray maty, iray hafa naratra mafy voatifitra

Afak’omaly alina, tao Ilakaka, dia olona iray no maty, iray hafa naratra mafy voatifitry ny mpitandro filaminana miambina ny faritra arovana amina valan-javaboahary iray any an-toerana, misy mitrandraka safira an-tsokotsoko, indrindra amin’ny alina. Raha ny loharanom-baovao mari-pototra nisy andian’olona saika hiditra amboletra tamin’io andro io. Ny sasany tamin’izy ireo efa nandoa vola tamin’ireo miaramila mpiambina, saingy maro ny olona nahita izany ka nikiry hiditra ihany na dia norarana.
Saika hitrandraka safira an-tsokotsoko. Tezitra ireo nandoa vola ka raikitra ny fifandirana tamin’ireo bebaoty. Nitifitra avy hatrany ireto farany ho fiarovan-tenany, satria voalaza fa nisy saika handroba ny basy. Ny mifanohitra amin’izany ny voalazan’ny  havan’ny maty sy naratra. « Nandoa vola tamin’ireo mpitandro filaminana ny havanay hitrandraka safira ao. Tifitra variraraka no setrin’izany raha nitaky ny hamerenana ny volany ny havanay. Novonoina izy satria sahy nilaza sy nampipoitra ny marina ». Miha henjana ny raharaha ary ahiana hivadika zavatra hafa tanteraka, raha tsy voalamina sy voafehy haingana, hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Eric Man

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser