- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversIlakaka : Srilankais iray nosamborina

Ilakaka : Srilankais iray nosamborina

SAFIRANanomboka omaly ny fakàna am-bavany azy tao amin’ny kaomisarian’ny pôlisy ao Ilakaka. Izany dia taorian’ny naha-voarohirohy azy ho nividy vato nalaina tao amin’ny faritra arovana tao Bepeha. Ramatoa iray no nitsangana ho vavolombelona ary nilaza fa niharan’ny fanararaotana. Vola 50.000 ariary monja no azony nefa safira no resaka eto. Niainga tamin’izay ihany koa ny fanadihadian’ny pôlisy, izay na tsy nisy aza ny mpitory dia nanokatra ny “enquête” avy hatrany tamin’ny anaran’ny fanjakana malagasy. Mazava loatra satria faritra arovana tsy azon’iza na iza hidirana i Bepeha, ary efa niteraka olana maro rahateo ny kolikoly teo anivony teo aloha teo. Tonga hatramin’ny vonoan’olona aza izany ary nampisahotaka ny manam-pahefana tao an-toerana. Vao tamin’ny herinandro teo tokoa mantsy no nisy karazana dina natao ary nifanekena fa hatao tany fady i Bepeha. Nisy mihitsy ny omby natao sorona teo an-toerana tamin’izay fotoana izay. Tsy niandry andro vitsy akory taorian’izay dia io efa nisy safira roa karazany nivoaka sahady, afak’omaly, tao amin’ny toerana mitovy hatrany. Ny iray azon’ny olona sary niaraka tamin’ny ranon-tany. Ny faharoa kosa niainga tamin’ny fijoroan’ilay ramatoa voalaza etsy ambony ho vavolombelona no nanokatra ny fanadihadian’ny pôlisy. Ankehitriny, raha ny resaka mandeha any an-toerana, dia mitady ny hanokatra fanadihadiana ihany koa ny zandary. Ny zandary izay voatendry hiambina io toerana io kanefa dia io nisy safira tafavoaka io hatrany tao Bepeha. Manaraka izay dia fantatra fa hidina an-tsehatra ny manam-pahefana ary hamono omby indray mba hamerenana ny fifanekena fa tany fady ary tsy azo idirana  ao Bepeha. Mipetraka ny fanontaniana ankehitriny hoe sao dia ny omby fotsiny no misesy ho faty fa ny kolikoly mitohy ihany?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser