Lehilahy iray tsy nisy loha intsony ary nesorin’ireo olon-dratsy namono azy ny taovany, no hita faty nihoson-drà amoron’arabe amin’ny lalam-pirenena fahafito iny, teo anoloan’ny restaurant Thaillandais taloha, amin’ny lalana mihazo ny fokontany Manombe Be, afak’omaly. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tany amin’ny toeran-kafa ity lehilahy ity ary nariana teo ny fatiny. Raha ny loharanom-baovao azo dia avy any Ambovombe Androy ity lehilahy hita faty, ary hitady asa ho mpamily no nahatongavany tao Ilakaka ny 17 janoary lasa teo.
Eric Manitrisa