- Publicité -
mercredi, juillet 16, 2025
AccueilFaits-DiversIlakaka : Tovolahy varira 23 taona, nalain’ny dahalo nitam-basy an-keriny

Ilakaka : Tovolahy varira 23 taona, nalain’ny dahalo nitam-basy an-keriny

Raha nahoraka tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana, indrindra tany amin’ny distrikan’i Toliara II, ny halatra sy fakana an-keriny zaza varira teo aloha, dia lasa mahazo laka indray izany any amin’ny faritra Ihorombe ankehitriny.

Tovolahy varira iray sahabo ho 23 taona eo no nisy naka an-keriny ny 6 septambra lasa teo, tokony tamin’ny 10 ora sy sasany alina, tao an-tanànan’i Beraketa Malio, kaominina ambanivohitra Andohan’Ilakaka, distrikan’Ihosy. Taorian’izay, niara-nisalahy avy hatrany ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona any an-toerana nikaroka an’ity tovolahy, ka mpaka an-keriny 12 lahy no tra-tehaka azo sambo-belona niaraka tamin’ny basy roa. Ary tafaverina soa aman-tsara eo anivon’ny fianakaviany kosa ilay tovolahy varira nisy naka an-keriny. Naratra ny vatany iray manontolo,  satria nampijaliana izy ary zara raha nomen’ireo dahalo sakafo tamin’ny fotoana nitazonana an-keriny azy. Raha ny fanazavana azo, anaovan’ireo malaso sorona hanamasinany ny ody ratsy matetika no hakan’ireo olon-dratsy an-keriny olona na zaza varira (Soba na albinos), satria mihevitra ireo malaso fa manana hery manokana na miafina ny varira.

Eric Nahoda

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici