- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversIlanivato : Efa-dahy mpivarotra entana halatra

Ilanivato : Efa-dahy mpivarotra entana halatra

Teny Alasora no nisy trano vaky ary teny Manarintsoa Isotry kosa no nahitàna ireo entana very tao, namidin’ny olona. Nisy nahatsikaritra izany ka nampandre ny pôlisy izay nanao ny fisamborana avy hatrany. Ny alin’ny alahady teo no nisian’ny vaky trano ary entana lafo vidy maromaro no very tao : “groupe électrogène”, “pompe à eau” ary “converstisseur batterie”. Efa lafo avokoa ny ankamaroan’ireo entana saingy nisy ny fisamborana olona iray fantatra amin’ny anaran-jiolahy Vazaha. Io no nanondro ny namany miisa telo izay nosamborina taorian’ny fanadihadiana an’i Vazaha, ity farany izay efa nigadra tany amin’ny faritany noho ny halatra. Miara-miasa amin’ny lehilahy iray izay manana poleta izy ireo. Io farany izay mbola tadiavina ankehitriny. Etsy Isotry, miainga eo amin’ny “La reunion kely” ka hatrany Manarintsoa no matetika hivarotan’ny mpamaky trano ny entana azony. Vao maraina be, manodidina ny amin’ny dimy ora maraina dia efa misokatra ny tsena ary efa samy maharaka ny maro fa entana halatra ny ankamaroan’ireo. Tsy misy adiny roa aty aoriana, izany hoe manodidina ny amin’ny fito ora maraina, dia efa mihidy tsikelikely ny tsena, izany hoe izay maharaka ihany no mifoha maraina sy mividy. Mifamezivezy ny olona ary atao varo-boba indraindray ny entana izay tsy maintsy vitaina ao anatin’ny adim-pamataranandro vitsy ny famarotana azy satria mety ho hitan’ny tompony na koa ny mpitandro ny filaminana. Mazava hoazy fa izay olona very entana ka efa maharaka ny zava-misy dia midina eny an-toerana avy hatrany ny maraina ihany mba hiala nenina hijery ny entany. Indraindray izany mahomby ary indraindray vetivety dia efa tsy hita intsony satria lafo. Tamin’ity indray mitoraka dia sarona ry Vazaha sy ny tariny, niaraka tamin’ny ankamaroan’ny entana nalainy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici