- Publicité -
lundi, juillet 28, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIlanivato : Mpibizina rongony tra-tehaky ny polisy

Ilanivato : Mpibizina rongony tra-tehaky ny polisy

Ny andron’ny Pantekoty teo, tsy ny Fanahy masina no tonga namangy an-dranamana fa ny polisy. Ranamana izay efa mpivarotra rongony malaza eny amin’iny faritra Ilanivato sy ny manodidina iny. Tra-tehaka tsy afa-niala intsony ingahirainy rehefa tratra tao aminy ny rongony maina tao anato harona sachet milanja eo amin’ny iray kilao teo, niaraka tamin’ny fonosana (bômba) aman-jatony.

Araka ny filazam-baovaon’ny pôlisy dia tonga teny amin’izy ny fitarainana mahakasika ity lehilahy mpivarotra rongony, mpandoto tanana ity. Noho ny fanomezam-baovaon’ny olona tsara sitrapo dia fantatra ny toerana nisy azy sy hanaovany izany asa ratsy izany : ao Ampangabe Anjanikinifolo. Nanao bemidina avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana avy eo anivon’ny PPa Ilanivato ary nametraka paikady hisamborana sy hanatratrarana am-bodiomby azy. Ary dia nandaitra ny tetika. Voasambotra ity mpivarotra rongony ity ! Nentina notanana natao famotorana avy hatrany moa Ingahy ary nogiazana hatao porofo ireto zava-mahadomelina marobe tratra tao aminy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici