- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversIlanivato : Saika raikitra ny sakoroka teo amin’ny pôlisy sy ny fokonolona

Ilanivato : Saika raikitra ny sakoroka teo amin’ny pôlisy sy ny fokonolona

Niakatra ny feo omaly teny amin’ny « poste avancé »-n’ny pôlisy teny Ilanivato, teo amin’ireo fokonolona. Manohitra ny fisamborana sy fanagadràna ireo efa-dahy voasambotry ny pôlisy ny alahady lasa teo ny fianakavin’ireo havany, izay nitondra olona maro teny an-toerana. Raha ny nambaran’izy ireo mantsy dia tsy olon-dratsy izany ireto efa-dahy ireto ary tsy mendrika ny hosamborina sy ho gadraina. Efa saika raikitra ny sakoroka, teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ireo andian’olona tonga teny amin’ity biraon’ny pôlisy ity omaly maraina. Tetsy andanin’izay, efa tazana teny an-toerana rahateo ireo fiara tsy mataho-dalana maromaro avy amin’ny pôlisim-pirenena, tonga nanampy ireo teny an-toerana. Tetsy andanin’izay ihany koa, nitondra fanazavana ny tompon’andraikitry ny kaomisaria ao amin’ny boriborintany fahaefatra, izay miahy iny faritra iny. « Nohazavainy tamin’ireo fianakaviana ireo fa mijanona hatreo amin’ny fisamborana ny asan’ny pôlisy. Tsy anjaranay velively ny mandidy sy manapaka na alefa any am-ponja izay olona voasambotra na tsia. Misy Fitsaràna mahefa eo manao izay anjara asa izay ». Tsiahivina fa ny alahady lasa teo no voasambotra ireto efa-dahy ireto izay tratra teny amin’ny toerana nisiana fanendahana. Tamin’io fotoana io tokoa mantsy raha ny vaovao azo no nisy mpitondra môtô, nosakanana efa-dahy. Sady voaendaka voalohany itsy voalohany no mbola voavono ihany koa. Taorian’ny fitarainana dia nidina teny amin’ny faritra voalaza avy hatrany ny mpitandro filaminana. «Tao anatin’ny fanadihadiana nataonay no nibabohan’ireto voasambotra fa tena nandratra io olona voaendaka io tokoa izy ireo. Rehefa vita ny fanadihadiana natao dia natolotra ny teny amin’ny Fampanoavana izy ireo ary ny teny no nanapa-kevitra ny hampidirana azy ireo eny Antanimora. Ny Fitsaràna ihany izany no afaka mamaritra na meloka izy ireo na tsia », hoy hatrany ny loharanom-baovao. Taorian’ny fifanazavana teo amin’ny roa tonta anefa dia nilamina ihany ny teny an-toerana, fotoana maromaro taty aoriana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici