- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversIlanivato : Tambajotrana mpangalatra « scooter » ravan’ny BC

Ilanivato : Tambajotrana mpangalatra « scooter » ravan’ny BC

Teo am-panosehana ilay môtô halatra mihitsy ireto bandy telolahy no saron’ny pôlisy avy etsy amin’ny sampandraharaha misahana ny ady heloka bevava, tetsy Ilanivato, ny voalohandohan’ny herinandro teo. Rehefa nosavaina izy ireo dia nahitàna karazana taratasina môtô maromaro, saingy ny an’ilay môtô natosika no tsy tao.

Olona nahatsikaritra zavatra mampiahiahy teny an-toerana no nampandre avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Lehilahy maromaro manosika môtô, tokony ho tamin’ny dimy ora maraina. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireto pôlisy ary tsy ela tokoa dia nahatazana azy ireo, mbola somokotra manosika ity kodiaran-droa. Vantany vao nahatazana ireo pôlisy nanaraka azy fotsiny anefa ireo andian’olona io dia vaky nandositra avy hatrany, ka nifanenjahana. Tsy ela dia voasambotra ny roa. « Nandritra ny fanadihadiana azy roa lahy dia niaiky izy ireo fa halatra io moto natosiny io ary vao avy nalainy teny Andavamamba. Nandritra izany koa no nahafantarana fa eny amin’ny faritra Itaosy no fanafenan’izy ireo ny moto avy nangalariny. Rehefa nosavaina moa ilay trano voalazany eny Itaosy dia tratra tao ny lehilahy iray mpiray tsikombakomba taminy »,  hoy ny vaovao. Fantatra ihany koa moa fa izy ireo no anisan’ny nangalatra ny môtô an’ny orinasa fanamboarana ranom-boankazo iray eny Ankazomanga.

Isan’ny mampikaika ireo manana kodiaran-droa, indrindra ireo « scooter » amin’izao ny firongotran’ireo olon-dratsy mpangalatra izany. Efa tambajotra matanjaka tokoa mantsy no ao ambadika, ka na inona fomba hiarovana izany fitaovana izany na inona dia vitan’ireo olon-dratsy foana ny mangalatra, mamadika azy ireny ary manamboatra ny taratasiny ho toy ny môtô vaovao indray. Ireo izay tena tsy hitan’izy ireo moa ny hanaovany azy, dia ataon’izy ireo fangalàna « pièces » fotsiny na ilay antsoiny hoe « kotoleta ».

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici