Nifanesisesy mihitsy raha ny lozam-pifamoivizana nitranga teo amin’ny faritra Vakinankaratra tato ho ato izay. Raha vao tamin’ny zoma no nitrangana loza mahatsiravina namoizana ain’olona roa tamin’ny lalam-pirenena faha-34 dia izao nahafatesana olona izao indray ny lalam-pirenena fahafito.
Ny alahady lasa teo tokony ho tamin’ny 6 ora hariva no nitrangana loza teo Ampitatafika. Fiara mazda avy any Mahajanga nitondra mpampianatra no niharan-doza rehefa nifandona tamina kamiao lehibe iray. Potika tsy nisy noraisina ilay mazda, ka olona telo no fantatra fa maty. Naratra mafy kosa ny 11 ambiny ary olona iray no mbola miady amin’ny fahafatesana amin’izao ora anoratanay izao, izay voalaza fa misy ra mihandrona ao amin’ny faritry ny lohany. Raha ny fantatra, dia mpampianatra avy eto Antsirabe avokoa no tao anatin’ity fiara Mazda ity.
Matetiika tandrevaka avy amin’ny mpamily hatrany no hiavian’ny loza, manampy trotraka koa ny faharatsian’ny lalana feno lavadavaka, indrindra fa amin’izao andro faharavartra izao malama tokoa ny arabe, ka mila fitandremana fatratra, ain’olona rahateo no hoentina.
Andry N.