Nahafaty olona indray ny « taxi-brousse » ary tamin’ity indray mitoraka ity, dia ny tsy fahaizan’ny mpamily no nitarika ny loza. « Tsy mahay mamily mihitsy ilay olona, raha ny fijerinay mpandeha azy, teny an-dàlana dia efa hita mibaribary izany. Rehefa nohadihadianay, dia tsy manana alàlana ny hitondra fiara fitaterana izy » hoy ny mpandeha iray ; izay isan’ny naratra tao anatin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Ramatoa iray no maty tsy tra-drano, noho ny hamafin’ny dona nihatra taminy. Nivoaka ny làlana ilay fiara fitaterana ary nivarina tany an-kady. Ny asabotsy teo no nitrangan’ity lozam-pifamoivoizana ity, tetsy Ilempona. Zotra mampitohy an’Antsirabe amin’Andrenivohitra no niharan’izany. Samy nitondra ratra avokoa ny mpandeha tao anatiny, ankoatra ilay ramatoa namoy ny ainy. Isan’ny naratra mafy ihany koa, raha araka ny fitantaran’ny mpandeha iray, ny mpamilly ilay fiara. Nentina tany amin’ny hopitaly ireo izay naratra ary nafindra fiara kosa ireo ambiny afaka nanohy ny diany. Tsikaritry ny olona fa, miverimberina hatramin’ny nahatongavan’ny fotoan’ny fialantsasatra ny lozam-pifamoivoizana amin’iny lalam-pirenena iny. Mifanandrify rahateo izany amin’ny vanim-potoanan’ny famadihana, hany ka mihamaro ny fifamezivezen’ny olona miaka-midina eo anelanelan’Antsirabe sy Antananarivo. « Vokatr’izany, lasa maika ny fiara fitaterana ny ho tonga mba hanenjika ny fiaingàna manaraka ary hahazo vola bebe kokoa hatrany. Misy mihitsy aza no ovaovaina ny mpamily, satria betsaka ny tinady. Indraindray anefa ireo mpanampy no lasa manamory, dia io mitera-doza matetika io » raha ny fanazavan’ny mpandeha iray hafa izay efa mihorohoro tanteraka isaky ny mandeha « taxi- brousse » mihazo an’iny lalam-pirenena iny. Saingy tsy maintsy atao anefa ny dia, noho ny asa aman-draharaha, ny hany azo atao, dia ireo mpamily mba efa fantatra no andehanana. Dia lasa miaina ao anatin’ny horohoro toa izany hatrany ny mpandeha isaky ny handray fiara fitaterana…
D.R