Ho any Ambinanindrano, any Imady, avy ao Ambositra, ny “camion” iray no niharan-doza. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa rehefa avy nisakafo tao Ambalavato ireo olona enina tao anatiny ka nikasa handeha no niseho ny loza. Ilay mpanampy ny mpamily no namelona ny fiara sy nanakisaka azy. Tsy nisy “frein” tampoka anefa ilay fiara ka avy hatrany dia nisososso tany anaty reniranon’Imady. Vokatr’izany, maty ilay mpanampy sy zaza iray vao 12 taona monja. Niheran-doza kosa ireo sasany ka anisan’izany ny mpamily sy renim-pianakaviana sy ny zaza niaraka taminy. Tamin’ny faha-9 jolay teo no niseho ny loza. Potika avokoa ny entana rehetra tao anatin’ilay fiarabe saika hamidy any Ambinanindrano. Omaly faha-10 jolay no nentina tany Ambositra ny razana.
r.s.