- Publicité -
samedi, septembre 20, 2025
AccueilFaits-DiversImamba : Fiara nentina nanao kidnapping hitan’ny polisy

Imamba : Fiara nentina nanao kidnapping hitan’ny polisy

Naharay vaovao ny polisy avy misahana ny heloka be vava fa misy fiara iray R 21 teny amin’ny manodidina an’Imamba. Rehefa nandeha ny fanadihadiana dia tombanana fa nampiasaina tamin’ny fakana an-keriny karàna ity fiara ity ary rehefa vita izay nilana azy dia napetraka teny amin’io toerana io. Mitohy hatrany araka izany ny famotorana ataon’ireo misahana manokana ny fangalana olona an-keriny amin’izao fotoana izao. Ny farany teo moa dia fantatra fa efa navotsotr’ireo jiolahy ilay teratany karàna nalain’izy ireo. Hatramin’izao anefa, tsy fantatra marina izay vola nomena an’ireo jiolahy.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser