- Publicité SW45 -
jeudi, novembre 21, 2024
AccueilFaits-DiversImanombo Ambovombe : Niampatrampatra ny faty

Imanombo Ambovombe : Niampatrampatra ny faty

Rehefa avy nataon’ireo dahalo vono moka ireo mpanara-dia miisa dimy, dia naparitak’izy ireo eraky ny vohitra ny vatana mangatsiakan’ireto farany. Mbola nandrahoana ireo fokonolona sahy haka ireo razana ireo moa ireto olon-dratsy, hany ka voatery ireo mpitandro filaminana sy ireo tompon’andraikitrim-panjakana tany an-toerana, niaraka tamin’ireo fokonolona no nanangona izany. Marihana fa olona dimy no maty nandritra ity fanarahan-dia nataon’ireo fokonolona ity. Raha ny fantatra hatreto, dia ny efatra tamin’ireto razana ireto no efa hita ary efa tonga tao Imanombo, rehefa avy notadiavana teny Beadabo sy Bearena, samy ao kaominina Imanombo, distrikan’Ambovombe Androy avokoa. Ny vatana mangatsiaka iray kosa dia mbola nokarohina tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo razana tao am-bohitra. Raha tsiahivina dia ny herinandro teo, ny alakamisy 14 novambra no nisy ity halatr’omby naharahana vono olona ity tao amin’io kaominina Imanombo io. Raha ny voalaza dia omby mahatratra hatramin’ny 110 isa sy ondry maherin’ny 60 no lasan’ireo dahalo tao amin’ny tanana antsoina hoe Marofany, fokontany Ambatomiloloha, kaominina Imanombo. Ny ampitso maraina vao nahatsikaritra ny zava-nisy ny mponina ary rafitra nanao ny fanarahan-dia avy hatrany sy nampilaza ny mpitandro filaminana. Ireto farany moa izay avy hatrany dia nandray andraikitra, namefy ny manodidina sy ireo toerana izay mety handalovan’ireto olon-dratsy, na ny kizo. Tetsy andanin’izay anefa, nifankatratra ireo fokonolona mpanara-dia sy ireo olon-dratsy, teo amin’ny toerana antsoina hoe Ankalilagnambato. Nisy ny fifanenjehana ka teo amin’ny Beadabo vao tena raikitra ny ady teo amin’ny roa tonta. Nisy ny naratra ary nisy ireo maty tamin’ireo mpanara-dia, rehefa tojo ny hery tsy nitovy. Tafaporitsaka tamin’izany ireo olon-dratsy. Tsy afa-nanoahatra intsony ireo fokonolona ary niandry ireo mpitandro filaminana. Ireto farany moa izay mbola manohy hatrany ny fanarahan-dia sy fikarohana ireo olon-dratsy, ary nanampy ireo fokonolona tamin’ny fanangonana ireo razana, any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici