- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversImerimandroso Alaotra : Mpianatra 26 voan’ny ambalavelona

Imerimandroso Alaotra : Mpianatra 26 voan’ny ambalavelona

Mitsinjatsinjaka ,mirediredy ,mikiakiaka mafy ,mbetika mandositra ka ifanenjehana,misy mihitsy aza ny mamoaka farorabava sy miteniteny miantso anaran’olona . Ireo no tranga mahazo ny ankizy mpianatra ao amin’ny  sekoly lehibe iray  ao Imerimandroso Ambatondrazaka, tao anatin’ny andro vitsivitsy izay. Araka ny nambaran’ireo   ray aman-dreny, dia  Ambalavelona no mahazo ireto mpianatra ireto, satria toa manonona anaran ’olona iray hatrany ireto marary. Efa nisy ny fidinan’ireo mpitondra fivavahana nitondra am-bavaka sy nanala ireo devoly, anefa toa manomboka miitatra ity tranga ity, satria raha ankizy iray sy roa no voa dia efa tafakatra 26 izy amin’izao fotoana izao. Araka ny nambaran’ny ben’ny tanànan’ Imerimandroso Atoa Honoré , dia tokony hojerena haingana ity tranga ity mba tsy hampisavoritaka ireo ray aman-dreny   ary  fantatra izao fa  efa tsy nalefa any an-tsekoly avokoa ireo mpianatra voany ary amin’ny Alatsinainy 24 Febroary 2020  ho avy izao vao miverina  izy ireo. Araka ny loharanom-baovao voaray hatrany, dia nezahana hafenina mafy ity tranga ity ,ary nahoraka mihitsy hoe tazo mahery, ka ny farany izao  fantatra izao fa Ambalavelona mahery no nahazo ireo zaza ireo, hoy ny ben’ny Tanàna ,ary ny tena loza izay voany dia mitabataba ny handeha hamono tena hatrany hoy ny fanazavana. Manainga ny rehetra ireo ray aman-dreny mba handray andraikitra haingana, fa mijaly ireo mpianatra.  Fantatra ihany koa, fa efa nisy ny fidinan’ireo tompon’andraikitry ny fampianarana tany an-toerana, saingy tsy nahazaoana vaovao

R Janus

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici