- Publicité -
lundi, février 16, 2026
AccueilFaits-DiversImerimandroso : Basy kilalao nentina nandrobàna « cash point »

Imerimandroso : Basy kilalao nentina nandrobàna « cash point »

Nitrangan’ny fanafihana « cash point » teny Alatsinainy, kaominina Imerimandroso, distrikan’Ambohidratrimo ny andron’ny zoma lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia lehilahy roa izy ireo, nitondra zava-maranitra sy basy niditra an-keriny tao amin’io toerana io ary nanery ny mpitantana hanome vola, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany tany ho any. Raikitra anefa ny savorovoro tamin’izay fa tsy nanaiky mora ilay mpitantana ary niantso vonjy. Naheno izany koa ireo teo amin’ny manodidina ary nampandre ny zandary avy hatrany. Nitsoaka toy ny tsy teo izy roalahy. Tonga ara-potoana ihany koa ireo mpitandro filaminana, ary raikitra ny fanenjehana. Tsy lasa lavitra dia azo sambo-belona ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Tovolahy vao 17 taona monja ary monina ao Manantsoa Imerimandroso ihany. Mbola hita tao anatin’ny sakaosy nentiny moa ny fitaovam-piadiana nampiasaina. Nahitàna antsy maranitra roa, bolongam-by, tady ary basy … kilalao! Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny zandary ity farany ary notanana ho amin’ny famotorana. Marihina fa tsy mbola nisy vola lasan’izy ireo, tamin’izany fanafihana izany, araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Efa mandeha kosa ny fikarohana ilay namany, mpiray tsikombakomba tamin’ingahy tamin’ity fanafihana « cash point » ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter