- Publicité -
samedi, janvier 10, 2026
AccueilFaits-DiversImerinafovoany : Fiara nitsoaka avy nandona fiara hafa, nivadika tetsy Andranomena

Imerinafovoany : Fiara nitsoaka avy nandona fiara hafa, nivadika tetsy Andranomena

Amin’ny toe-javatra tahaka izao dia miankina tanteraka amin’ny vokatry ny fanadihadiana ny fanoloana na tsia ireo zavatra simba, izay tena goavana.

Tsy misy ireo naratra mafy na ny namoy ny ainy, saingy tombanana any amin’ny telonjato tapitrisa ariary any ho any kosa ny fahavoazana tamin’ity tranga lozam-pifamoivoizana, niseho tamin’iny lalam-pirenena fahefatra, tetsy Imerinafovoany Talatamaty iny, ny alin’ny zoma, hifoha sabotsy teo.

Ny aza mba manao ratsy ihany ! Tsy ela tokoa dia nivaly, raha ny an’ity mpamily ny fiara iray namoa-doza, vao mangiran-dratsin’ny sabotsy teo, tetsy amin’ny sampanana Andranomena, hihazo an’Ambohibao iny. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso tokoa mantsy dia nandeha mafy dia mafy avy any amin’iny faritra Talatamaty iny ity fiara tsy matahodalana iray, marika « Rexton ». Raha ny angom-baovao azonay hatrany dia mbola toa hoe varimbarin’ny zava-pisotro nisy alikaola, nosotroiny ny alin’io ny lehilahy tamin’io fotoana io. Noho izay fandehanany mafy sy ny vokatry ny zava-mahadomelina tao anaty ràny, izay dia tsy voatanany intsony ny familiana ka nandona fiara tsy mataho-dalàna iray, marika Renault Duster, ilay Rexton. Niezaka niala ihany iry voalohany rehefa nahita ny fandehan’ity farany saingy mbola voakasoka ihany. Noho ny hafainganam-pandeha mafy sy vokatr’izay fifandonana izay dia nipitika ary niafara teny amin’ny tranon’olona teo amoron-dalàna ilay « Duster ». Nanimba tanteraka ihany koa ny alohan’ity trano ity iray manontolo, ary kely foana ny tsy nirodanan’izany. Soa ihany, tsy mbola nisy mpandalo ary tsy nisy olona ihany koa tao amin’ilay faritra voadona, fa raha tsy izany mety ho ratsy ny zava-nitranga. Ireo tao anatin’ilay Duster ihany koa, voalaza fa na dia nidona mafy aza ny fiara dia mba tsy nisy naratra mafy.

Fa mbola tsy mbola vitan’izay anefa, satria dia tsy nijanona nandray ny andraikiny akory ilay fiara « Rexton » tamin’ny loza nataony fa mbola afaka teo, na dia nibilabila aza, ary vao mainka nanamafy ny hafainganam-pandehany nitsoaka. Tsy niandry ela anefa ny valiny fa tao aloha tao, tamin’iny fidinana avy any Ambohibao, hihazo an’Andranomena iny no nivadibadika ary nitsivalana tanteraka teo am-povoan-dalana nony avy eo. Azo heverina fa mety ho vokatry ny hamamoana tetsy ankilany ary noho ny fahavoazana ara-teknika vokatry ny fifandonana tamin’ilay fiara tetsy Imerinafovoany, andaniny. Nambaran’ireo nanatri-maso hatrany fa tsy dia naninona ihany koa io mpamily io, na teo aza ny loza nitranga. Tonga avy hatrany teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy, raha vao nahare ny zava-nitranga ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty. Nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany ary nitondra ilay mpamily ny fiara « Rexton », atao famotorana. Mavesabesatra ihany ireo hanenjehana ity farany, raha ny zava-misy no jerena. Anisany ny hoe mamo mitondra fiara, fitsoahana teo anatrehan’ny loza, fanimban-javatr’olona, … Raha ny fantatra dia mbola voatazona atao andrimaso any amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana eny an-toerana ity farany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici