Vao maraina dia efa feno pôlisy manao fanamiana sivily teny amin’ny manodidina ny banky iray tetsy Imerinafovoany. Nisy olona efa nandrasan’izy ireo, raha araka ny fantatra, ary notombanana ny tsy maintsy handalo eo. Tokony ho tamin’ny folo ora antoandro, dia iny tokoa ny roa lahy fa nizotra teo amin’ilay làlan-tokana. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireo pôlisy ; izay rehefa nohamarinina dia avy eo anivon’ny sampan-draharaha misahana ny heloka bevava, ary nanao ny fisamborana. Teo an-toerana dia nandrenesana feom-basy. Fotoana fohy taorian’izay no nahafantarana fa lavon’ireo pôlisy ny lehilahy iray fantatra amin’ny anaram-bositra hoe Vazaha. Azo sambo-belona kosa ny faharoa antsoina hoe Feno. Rehefa nohamarinina hatrany dia voalaza fa ao anaty fikambanan-jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana izy roa lahy ireo. I Vazaha aza dia voalaza hatrany, fa efa ela no nifampitadiavana teto Andrenivohitra ary efa nisy taratasy fikarohana ôfisialy (avis de recherche) mahakasika an’izany. Taorian’ny nahazoana ilay iray sambo-belona, dia mbola nisy namany hafa ihany koa nalain’ny pôlisy. Omaly dia olona dimy no teo am-pelan-tanan’ireo, raha araka ny vaovao azo hatrany. Nisafidy ny tsy mbola nampahafantatra an’ity tranga ity ny teo anivon’ny pôlisy satria mety mbola misy olona karohina. Ilaina izany eo amin’ny lafiny famotorana, saingy tsy ilaina kosa izany ho an’ny olombelona izay nahafantatra ny fisian’ny rà latsaka tetsy Imerinafovoany. Mila hazavaina amin’ny olona ny hetsika rehetra izay natao, indrindra ireo hita maso eny amin’ny làlam-bahoaka. Izany dia mba hialàna amin’izay mety ho feo ratsy hiely, noho ny tsy fahampian’ny fanazavana.
D.R