Lehilahy 55 taona no hita nihinjitra, tsy nisy aina intsony, tao an-tokantranon’ny vehivavy iray, ny zoma lasa teo. Araka ny nambaran’ilay vehivavy niaraka taminy dia vao nanao firaisana ara-nofo izy ireo no tsy nihetsika tampoka intsony ny lehilahy.
Tranga dia tsy faheno firy no niseho tetsy Imerinafovoany Talatamaty, ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina no nahazo fampandrenesana ny tobin’ny zandary, mahakasika ity olona maty nampiahiahy tao an-trano ity. Nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo ka ilay lehilahy efa tsy nisy aina intsony, mitsirara eo am-pandriana ary miboridana tanteraka ny tapany ambany no hitan’ireo tompon’andraikitra. Tokantranon’ny vehivavy iray 28 taona izy io. Ary araka ny voalazan’ity farany tamin’ny famotorana natao azy dia « teo am-panaovana firaisana ara-nofo izy ireo no tsy nihetsika intsony ilay lehilahy …». Raha ny zava-nisy hatrany dia vao ny voalohan’ny volana febroary teo izy sy ity lehilahy ity no nifankahafantatra tao anaty tambajotra sosialy. Efa nitsidika azy teny an-trano io lehilahy namoy ny ainy taorian’ny nifankafantaran’izy ireo ary nifanaiky fa hanampy ity vehivavy ity sy ny zanany amin’ny famelomana azy ireo, raha toa ka miaraka aminy ilay vehivavy. Mazava ho azy fa nisy fifanekena tao. Ny andron’ny zoma teo no tonga tao aminy ilay lehilahy, niaraka nisotro ranom-boankazo. Voalaza fa nifanaraka izy ireo fa hanome vola an’ilay ramatoa ilay rangahy aorian’ny fiarahan’izy ireo ary lasa namonjy fandriana avy eo izy roa. Teo no nitranga ny tsy nampoizina …
Hatreto aloha dia tsy mbola fantatra mazava ny antony nahafaty ity lehilahy ity : tosi-drà niakatra tampoka, fijanonan’ny fo, harerahana, fanapoizinana … Tsy maintsy ny fitsirihana ataon’ny mpitsabo tompon’andraikitra amin’ny alalan’ny « autopsie » ihany anefa no ahafantarana izany. Marihina fa nanamarika ny havan’ny maty fa manana olana amin’ny resaka tosi-drà itompokolahy fony fahavelony. Na izany aza anefa, tsy maintsy misy ny fanokafana ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity ataon’ireo mpitandro filaminana. Ary satria, nisy resaka aina nafoy dia tsy maintsy misy ny olona ahiahiana ka notanana avy hatrany natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy ilay vehivavy tompon-trano, niaraka tamin’ilay namoy ny ainy farany.
Ny tranga tahaka izao tokoa dia azo angalàna lesona ary porofo iray, ilàna tanteraka ny fanabeazana ara-pananahana feno ho an’ny rehetra, ho an’ny fiaraha-monina. Ilain’ny rehetra ny mahalala ny fahasalamana na ara-pananahana na amin’ny ankapobeny.
m.L



