Tokony ho tany amin’ny misasakalina tany ho any, ny andron’ny alatsinainy hifoha talata teo, nitrangan’ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin’ny lalan’Imerinafovoany, Talatamaty iny. Kodiaran-droa, izay samy nandeha mafy, no nifandona. Nandriaka ny rà teny amin’iny faritra Imerinafovoany iny. Lalana mahitsy ary mazava, hoy ny fampitam-baovao. Toeran’ny fitohanana rehefa antoandro, saingy malalaka tsara kosa rehefa alina. Tamin’ity ora nisehoan’ny loza ity dia efa rendrika anaty torimaso avokoa ny rehetra, taitra tampoka tamin’ny fipoahana mafy dia mafy avy eny amin’ny arabe. Môtô anankiroa no nifandona, nanao « face à face » hoy ny fitenanana. Potika tsy nisy azo noraisana izany fitaovana izany ary tafapitika lavitry ny dona ihany koa ireo olona nentiny. Môtô roa, saingy niisa enina ireo olona hita nitsirara teny amin’ny arabe, nifangaro tamin’ny fotaka sy menaka ary rà. Raha ny fanazavana nomen’ny zandary dia « nifanena izy ireo, samy nandeha mafy ary ny loza dia samy nanao taingin-telo tao anaty fahamamoana ». Ny andro alina, ny tahan’ny alikaola miakatra hatrany, ka samy tsy nisy nahatsapa intsony ny fandehanana mafy, ny fibahanan’izy ireo ny lalana, izay samy eny am-povoan’arabe ka tsy tana intsony ny loza rehefa iny nifanena iny. Vokany, iray tamin’ireo nentina tamin’ireto môtô niharan-doza ireto no namoy ny ainy avy hatrany. Samy naratra mafy kosa ireo ambiny. Nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana avy hatrany moa izy ireo. Ny vatana mangatsiaka an’ilay namoy ny ainy kosa dia napetraka tao amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly tetsy Ampefiloha. Efa eny am-pelatanan’ny zandary moa ny raharaha ary tsy maintsy hisy ny famotorana sy ny fanokafana ny fanadihadiana, satria lozam-pifamoivoizana no nitranga ary nisy maty.
m.L


