samedi, avril 19, 2025
AccueilFaits-DiversImerinafovoany : Tovolahikely maty voahitsaky ny “camion”, niparitaka ny atidohany

Imerinafovoany : Tovolahikely maty voahitsaky ny “camion”, niparitaka ny atidohany

Niteraka fitohanan’y fifamoivoizana nandritra ny ora maro ity loza ity.
Niteraka fitohanan’y fifamoivoizana nandritra ny ora maro ity loza ity.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy Imerinafovoany – Talatamaty, omaly antoandro, tokony ho tamin’ny 12 ora mahery kely teo. Tovolahikely  13 taona eo ho eo no , voahitsaky ny fiarabe iray sendra nandalo tamin’iny lalana iny. Potika tanteraka ny lohan’ilay zaza ary niparitaka teo amin’ny arabe mihitsy ny atidohany. Raha araka ny voalazan’ny olona nanatri-maso dia nandeha tsara tamin’iny làlana iny, nitodi-doha ho aty an-drenivohitra ilay fiara-be no niampita tampoka ity tovolahy kely ity. Mipetraka tsy lavitra eo izy ary sendra nirahina nividy zavatra, kanjo izao niharan-doza izao.

Tsy eto an-toerana moa ny reniny, raha ny voalaza ihany, fa any Sambava amin’izao fotoana izao, ka ny olona teo an-tanàna no nandray andraikitra nanampy ny fianakaviany. Fotoana fohy taorian’ny loza dia tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana, nanao ny fanadihadiana ary nandray an-tànana ny fakana am-bavany ilay mpamily ny fiara. Niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana ihany koa ity loza ity, ka tsy maintsy nandray ny andraikiny ihany koa ny zandary nandamina izay. Nanampy trotraka koa moa ny olona marobe,izay nitangorona liana tamin’ity vaovao ratsy ity. Voalazan’ny mponina eny an-toerana fa matetika no itrangana lozam-pifamoivoizana ity ampahan-dàlana ity, ary ny môtô no tena voakasik’izany.

A.R.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser