- Publicité SW45 -
vendredi, janvier 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversImerinkasinina : Nahafaty mpandeha moto indray

Imerinkasinina : Nahafaty mpandeha moto indray

Niongotra hatramin’ny takela-bato « béton ».

Lozam-pifamoivoizana hafa indray no nitranga teo amin’ny làlana mizotra ho any Imerinkasinina ny alarobia teo. Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany no nisy moto izay nifatratra tany amin’ny takela-bato izay napetraky ny fiangonana iray eo an-toerana. « Teo ihany dia efa nanomboka tsy nahatsiaro tena ilay lehilahy tokony ho 25 taona izay nitondra ny kodiaran-droa. Nivoaka rà avokoa ny vavany sy ny sofiny. Tsy dia tany amin’ny lohany loatra no voa mafy raha ny fahitanay azy fa kosa tany amin’ny faritry ny tratrany » raha araka ny fitantaran’ireo mpamaky vato izay niasa teo akaikin’ny toerana nitrangan’ny loza. Moto roa izy ireo no nanao aloha sy aoriana teny amin’ilay toerana. Rehefa nitranga anefa ny loza dia nilaza ho tsy mahafantatra ny naratra mafy ny mpanamory ny moto faharoa, raha araka ny fanazavan’ny vavolombelona teo an-toerana ihany. Niaiky ihany anefa io farany fa mpinamana izy ireo ary niaraka rehefa noteren’ny olona izay nahita. Fiara nitondra fianakaviana naka rivotra teny an-toerana no nitatitra haingana ny naratra nankany amin’ny hopitaly manara-penitra eo Ambohimangakely. Adiny iray taorian’ny nahatongavany tao an-toerana dia tapitra ny ain’ilay lehilahy. Tonga teny an-toerana ny fianakaviana naka ny razana ary teo no nahafantarana fa namela zaza menavava ilay namoy ny ainy. Omaly no nobataina teny Imerinkasinina ny kodiaran-droa izay efa potika tanteraka ary napetraka vonjimaika tao amin’ny orinasa iray tao an-toerana. Lasa mateti-pitranga ny loza ateraky ny fandehanana mafy amin’ny moto eny amin’iny làlana izay tsara kanefa maro fiolanana iny. Hatramin’ny niandohan’ity volana ity fotsiny dia efa olona roa no namoy ny ainy tamin’ny fandehanana mafy amin’ny scooter teo. Ny tena atahorana dia maro zaza mpianatra kely mivezivezy amin’iny làlana iny ary mandeha tsy misy ray aman-dreny rehefa mamonjy sekoly. Ankoatr’izay koa dia tena betsaka mpitsangatsana eny rehefa faramparan’ny herinandro. Eo koa anefa no tena betsaka scooter mandehandeha sy manararaotra mandeha mafy. Nanazava ny zandary fa hisy fepetra horaisina manoloana ity loza mitatao momba ny làlana mankany Imerinkasinina ity. Hiompana amin’ny fanaraha-maso rehefa faran’ny herinandro izy ireo manomboka izao mba hisorohana ny loza. Na izany aza, ireo mpitondra moto sasanh mihitsy aloha no mila tonga saina satria tsy toeram-panaovana « course » ny arabe iraisana…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici