- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversImerintsiatosika : Dahalo sivy azo sambo-belona, basy vita gasy iray sarona

Imerintsiatosika : Dahalo sivy azo sambo-belona, basy vita gasy iray sarona

Nisehoana fanafihan-dahalo mahery vaika tany amin’ny fokontany Sabotsy Namatoana, tany Imerintsiatosika, ny voalohan’ny volana septambra lasa teo. Avy hatrany dia nandray ny andraikiny ny zandary tany an-toerana. Taorian’ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy dia voasambotra ny dahalo telolahy niaraka tamin’ireo omby am-polony maro nangalariny. Taty aoriana, araka ny fampitam-baovao voaray, dia tafakatra sivy ireo malaso voasambotry ny zandary. Tsy vitan’izay fa mbola nahatratrarana basy poleta vita gasy ihany tany amin’ireo olon-dratsy ireto. Marihina hoy ny vaovao hatrany fa efa dahalo malaza ratsy any amin’iny faritra iny ireto voasambotra ireto, ary efa isan’ireo nanafika tanana maromaro tany amin’ny faritra Itasy sy ny manodidina. Manoloana izany, hoy hatrany ny fanazavana dia manentana hatrany amin’ny fanomezam-baovao avy amin’ireo olon-tsotra ireo mpitandro ny filaminana. Etsy andanin’izay, raha mikasika ity basy poleta vita gasy, mety ho isan’ireo basy nivoaka avy amin’ilay orinasa kely fanamboarana basy tsy ara-dalàna tetsy Anosimpatrana ve izy io ? Raha izany mety mbola firy ny mandehandeha any ? Tsiahivina mantsy fa tao anatin’ny fanadihadiana natao tamin’ilay atidoha nahita ity hevi-dratsy ity dia saika olona avy amin’iny faritra iny no mpividy ao aminy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici