- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversImerintsiatosika : Henan-kisoa voapoizina, lehilahy iray voasambotra

Imerintsiatosika : Henan-kisoa voapoizina, lehilahy iray voasambotra

Fantatra izao fa misy lehilahy nosamborina mikasika ny fiparitahan’ny henan-kisoa voapoizina avy any amin’iny disitirikan’Arivonimamo iny. Tato ho ato dia nalaza tokoa ny fiparitahan’izany hena ratsy izany.

Tamin’ny alatsinainy 14 aprily tokony ho tamin’ny 01 ora maraina dia nitrangana halatra kisoa tao amin’ny fokontany Tsarafaritra, Imerintsiatosika, distrikan’Arivonimamo. Tovolahy iray monina etsy Anosibe no nidina tany an-toerana nanao ity asa ratsy ity. Amin’ny alalan’ny poizim-boalavo no andemeny ireo kisoa ary dia miroso amin’ny fitetehana izy aorian’izay. Ny rà sy ny tsinain-kisoa tavela teo an-tokotany no nahalalan’ny tompon-tanàna fa nisy nangalatra ny kisoany. Efa tsy tratra teo amin’ilay teorana namonoany ilay biby intsony izy. Tsy lasa lavitra anefa dia voasakana, teo amin’ny barazain’ny zandary, ka teo no nahatratrarana azy. Tsy nanaiky nosamborina teo ny anao lahy fa lasa nandositra avy hatrany. Efa fantampatatra ihany ny toerana misy azy koa dia nosamborina teny Anosibe izy. Manamarika ny mpitandro filaminana fa tsy vao izao izy io no voarohirohy amina resaka halatra kisoa.

Eo am-panaovana ny fanadihadiana rehetra ny zandary any an-toerana ankehitriny miaraka amin’ireo dokoteram-biby, hanaraha-maso ireo hena mivoaka sy miditra mba ho fioarovana ny fahasalamana sy fandriam-pahalemana ilain’ny vahoaka.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser