- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversImerintsiatosika : Kamiao mpitondra entana, may kilan'ny afo

Imerintsiatosika : Kamiao mpitondra entana, may kilan’ny afo

Tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva no nitranga ny loza. May tanteraka tsy nisy azo noraisina intsony ilay kamiao mpitondra sakafo sy vokatra. Teo amin’ny lalam-pirenena voalohany, PK 29, toerana antsoina hoe Tsenamasoandro no niatomboka ny firehetana. Raha araka ny tatitry ny zandary, dia noho ny tsy fetezana mekanika no nitarika izany. Nisy tsy nety tao amin’ny milina famelomana fiara. Efa namboarin’ny mpamily sy ny mpanampy azy izany. Teo am-pamelomana an’izany indrindra raha noheverina fa efa nety no nirehitra tampoka ny fiara. Samy nikoropaka ireo roa lahy tao anatiny kanefa tsy nisy azo natao intsony. Ny iray namono ny motera ary ny faharoa namonjy izay entana azo navoaka. Nandamoka avokoa izany ary dia tsy nisy avotra na ny fiara na ny entana notateriny. Soa fa mba tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra nanoloana ity loza nitranga ity. Avy aty an-dRenivohitra ary saika hihazo an’Ankadinondry-Sakay io fiara io no nirehitra teo Imerintsiatosika. Anisan’ny matetika miteraka lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena ny fahavoazana vokatry ny fampiasana ny « ady gasy » toy izao. Marina, fa tsy mampandre ny olana mekanika rehefa ho tonga, fa betsaka loatra kosa ny lesoka amin’ny fiara sasany kanefa dia mitohy miasa hatrany. Any amin’ny firenena mandroso, dia tsy mahazo alàlana mihitsy ny fampiasana ny fiara iray raha vao misy tsy fanjariana voajiriky ny sampan-draharam-panjakana miandraikitra an’izany. Ampiasaina hatramin’ny solosaina amin’ny fijerena izay mety ho lesok’ilay fiara, ary tsy avela hahazo taratasy fahazoana mivezivezy mihitsy raha vao tsy amboarina izany. Torak’izany koa, raha vao lany daty ny fiara, dia efa alefa any amin’ny toerana famotehana an’izany. Sady miaro ny ain’olona izany rehetra izany no miaro koa ny tontolo iainana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici