Tratra ihany “Ramaria be” … Ramatoa iray, manodidina ny 56 taona, fantatra amin’ny anarana hoe “Ramaria be” no voasambotry ny fokonolona sy ny zandary tany amin’iny faritra Imerintsiatosika iny ny alin’ny alakamisy lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia voalaza ho mpamosavy ikoizana any amin’izany faritra izany ity ramatoabe ity, ary antony nisamborana azy tamin’io fotoana io dia vao avy nisoavaly olona mihitsy ny tenany. Tovolahy iray vao 17 taona monja no lasibatra. Nipotsaka lavabe ny lelany, ary sola tanteraka ny lohaliny sy ny kihony. Saika sola tanteraka ihany koa ny lohany, satria dia ringitra avokoa ny volony. Tsy mahatsiaro tena intsony ity tovolahy ity, raha ny vaovao voaray, ary voatery nentina haingana tany amin’ny hôpitaly. “Somary atahorana mihitsy aza ny ainy noho ny ratra nahazo azy”, hoy ny fanazavàna azo. Tratra alim-be, avy nijery ny fampitàna mivantana ny lalao baolina kitra nifanandrinan’i Alemana sy ny Frantsay ity tovolahy tsy nanan-tsiny ity. Somary lavidavitra ny tampon-tanana no misy ny toeram-ponenany, ary efa tamin’ny 12 ora sy sasany alina izy vao nody. Tamin’izay fotoana izay no tojo mpamosavy ity tovolahy ity ary dia nosoavaliany ilay tovolahy. Nisy nahita anefa izany ary ity farany no nampilaza avy hatrany ny fokonolona sy ny zandary. Raikitra avy hatrany ny fifanenjahana tamin’iny andro alina iny. Tao kosa ireo namonjy avy hatrany ilay tovolahy izay efa tsy nahatsiaro tena intsony. Niporitsaka ilay mpamosavy saika latsaka tao anaty hantsaka ka noraisim-potsiny. Efa saika ny ain’ilay ramatoa no nanefa noho ny hatezeran’ny olona, saingy nandamina ny zandary. “Tsy maintsy atao ny fanadihadiana ary atolotra ny fitsaràna ity ramatoa voalaza fa mpamosavy ity. Nitory rahateo ihany koa ny havan’ilay tovolahy voasoavaly”, hoy ny fanazavàna nomen’ny tompon’andraikitry ny zandary tany an-toerana. Miandry ny tohin’ity raharaha ity, araka izany, ireo mponina any an-toerana.
m.L