23 taona ny tovolahy ary efa niolikolika vokatry ny poizina nohaniny izy no tonga ireo zandary. Nezahina nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana saingy indrisy fa teny an-dalana dia namoy ny ainy. Izy raha ny voalaza dia nikasa ny hamoaka an-tsokosoko ireo vary akotry aman-taonina, izay napetraky ny mpampiasa azy taminy. Tra-tehaka amboninandro anefa ny fikasan-dratsiny ka io nanapa-kevitry ny hanapitra ny androny io ny tovolahy. Tranga niseho tao Imerintsiatosika, ny andron’ny talata lasa teo. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary dia nahazo antso izy ireo, mahakasika ny fikasàna hangalatra tao amin’ny tokantrano iray. Ny zava-nisy mantsy, mpiasa iray natokisana fatratra no natao hiambina fitehirizam-bokatra tao an-toerana. Nitsiry tampoka teo anefa ny eritreri-dratsin-dranamana manoloana ireo vary akotry aman-taoniny maro ka nikasa ny hamoaka izany an-tsokosoko. Niantso namana mpamily ingahy, hitondra ilay gonim-bary iray fiara « fourgon ». Voalaza anefa vao fantatr’ilay mpamily fa hafahafa ilay afera dia tsy nety ilehio ary nampandre avy hatrany ireo tompon’andraikitra sy ny tompon’entana. Teo anatrehan’ny zava-nisy, izay fantatr’ilay tovolahy tsara fa hifototra any aminy, tetsy andanin’izay ihany koa kaikitry ny nenina tamin’ny fivadihana ny fitokisana napetrak’ireo mpampiasa taminy dia io voalaza fa namono tena io ny lehilahy. Efa eny am-pelantan’ny zandary any an-toerana moa ny raharaha mahakasika ity tranga ity ary efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika izay.
m.L