- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversImerintsiatosika : Namboly hazo 4000 fototra ny Polisim-pirenena

Imerintsiatosika : Namboly hazo 4000 fototra ny Polisim-pirenena

Ho fanatanterahana ny vina napetraky ny Filoham-pirenena mba hamerenana indray an’i Madagasikara ho Nosy Maitso dia nanatanteraka fambolen-kazo teny Imerintsiatosika ny Polisim-pirenena ny Alatsinainy lasa teo. Zanan-kazo 4000 no novolena nadritra ity hetsika izay notarihin’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka sy ny vadiny ary notronon’ny Ramatoa Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy. Tsy ny Polisy eto Antananarivo ihany no nanatanteraka izao hetsika izao efa nisy ireo Fitaleovam-paritra ny Polisim-pirenena izay efa nahavita ny azy. Ohatra amin’izany ao Itasy izay nahavoly zanan-kazo 2800 ; Analanjirofo, 6000 ; Atsimo Andrefana, 3200 ; Atsinanana, 3000 ; Melaky, 2000 ; ary Menabe namboly zanan-kazo miisa 2000. Tsara ny mampahatsiahy fa teny filamatra noraisina tamin’ity taom-pambolen-kazo 2021 ity moa ny hoe : « Izay mamboly hazo manavotra firenena, izay mandoro ala mandoro tanindrazana ». Nonokatra izany tamin’ny fomba ofisialy tany Tolagnaro ny Filoham-pirenana Andry Nirina Rajoelina ny 19 janoary lasa teo.

T.M.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici