Ny alahady lasa teo, teo am-piandrasana fiara handeha hiakatra, teo Miakadaza, Imerintsiatosika izy roa lahy ireto no tonga tampoka ireo mpanao fisafoana. Teny amin’iny izy ireo, « panneaux solaires » miisa roa niaraka tamin’ny vatoaratra. Somary nampiahiahy ihany fihetsik’izy roa lahy ka nanontany azy ireo avy hatrany ireo zandary. « Fanontaniana tsotsotra toy ny mahazatra, hoy izy ireo tao amin’ny pejiny tao, kanefa efa nampisambadidaka ny valintenin’izy roa lahy … ». Tsy niandry ela akory dia nilaza ny marina izy roa lahy ireto fa fitaovana avy nangalariny izy ireo, ka nokasain’izy entina sy hamidy. Tsy vitan’ny hoe nibaradaka anefa fa avy hatrany dia vaky nifona tamin’ireo mpitandro filaminana. Nanoro avy hatrany toerana nangalarin’izy ireo izany fitaovana izany moa izy roa lahy, izay tsy taiza fa tao Tsarafaritra Imerintsiatosika ihany. Naverina tamin’ny tompony izany entana izany ary izy roa lahy kosa nentina notazomina tany amin’ny borigadin’ny zandary. Ary na dia nisy aza ny fibaboana sy ny fifonana dia tsy mahasakana velively ny fandefasana ny raharaha eny anivon’ny Fitsaràna izany. Saingy mety hampihena ny sazy miandry azy ireo fotsiny.
Anisan’ny fitaovana iray tsiriritin’ireo tontakely indray amin’izao ity resaka « panneaux solaires » miaraka amin’ny « batteries » ity. Mazava ho azy mantsy, be mpitady ireny fitaovana ireny, indrindra fa amin’izao mahabetsaka ny delestazy izao. Raha ny eto an-drenivohitra, angamba tsy ho lazaina intsony ny manjo sy mahazo ireo andrin-jiro isan-karazany, izay indrisy fa efa lasa andrim-by sisa, amin’ny nanaovan’ireo tontakely azy.
m.L