Nidiran-doza ireo mpanao trano enin-dahy. Nirodana tampoka ny trano izay nampakarina rehefa nihotsaka ny “betôn” tao anatiny. Roa no maty tsy tsa-drano rehefa nianjeran’izany no sady mbola nitontona tany ambany ihany koa, avy eny amin’ny rihana ambony. Ny efatra kosa nentina haingana tao amin’ny toeram-pitsaboana tsy miankina iray tao an-toerana ary mba avotra soa aman-tsara ihany ny ain’izy ireo. Mateti-pitranga ny fisian’ny loza mahazo ny mpanao asa tànana. Tsy vitsy ny maty noho ny fametahana herinaratra ao anaty trano vaovao. Torak’izany ihany koa ny namoy ny ainy noho ny fihotsahan’ny trano namboarina. Tsy afa-miala amin’ny risika toy izany anefa izy ireny ary matetika koa dia ny traikefa nifandimby tamin’ny ray aman-dreniny izay matetika koa dia efa mpanao asa tànana no entina miady, fa tsy nandalo fianarana momba ny asa tanana kosa. Mampitombo ny risika anefa izany tsy fisian’ny fandalinana izany.
D.R