Tokony ho tamin’ny misasakalina mahery no nirehitra ny fiara ary tsy voafehy intsony izany raha tsy kila forehitra. Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy, raha nipetraka teo amin’ny toerany mahazatra ny fiaran’ny pasitera an’ny fiangonana FJKM ao an-toerana no niharan’izany. Omaly ihany dia nanokatra ny fanadihadiana ny zandary ao an-toera ary nilaza fa ahiana ho nisy nandoro ny fiara. Tsy nisy mihitsy ny antony izay tokony nampirehitra ho azy izany, raha araka ny fanazavan’izy ireo. Mbola tsy nisy kosa ny olona izay voasambotra satria mbola ao anatin’ny fandalinana tanteraka ny mpanao fanadihadiana. Isan’ny handrasana ny hamantarana izay mety ho anton’ity fanimbàna fananan’olona ity, indrindra koa mpitondra fiangonana no tompony, ankoatra izay mazava hoazy ny fisamborana ny tompon’antoka.
D.R