- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversImerintsiatosika : Olona telo maty nipoahan’ny kodiaran-kamiao

Imerintsiatosika : Olona telo maty nipoahan’ny kodiaran-kamiao

Zava-doza no niseho afakomaly, teny amin’iny faritra Imerintsiatosika iny, rehefa nipoaka ny kodiarana lehibe ana kamiao iray teny an-toerana. Aina telo be izao no indray nafoy tao anatin’izany fipoahana izany. Tokony tamin’ny folo ora maraina teo no nitranga ny loza, raha teo am-pamokisana rivotra an’ilay kodiarana ireto olona telo ireto, dia ilay mpiasa teo amin’ny « vulca », ny mpamilin’ilay fiarabe, niaraka tamin’ny mpanampy azy. Araky ny tatitry ny zandary tonga taty aminay, dia nisy fahasimbana ity kodiarana nipoaka ity ary namboarina teo amin’ilay « vulca ». Iarahan’ny rehetra mahalala tokoa anefa, fa indrindra ireny toerana fanamboarana kodiarana ireny, fa isan’ny tena mampidi-doza ny manamboatra kodiarana fiarabe, indrindra raha mbola tsy za-draharaha ilay mpiasa manao izany na ihany koa tsy manana fitaovana ara-dalana entina hanamboarana ilay kodiarana. Araka ny filazan’ireo matihanina amin’io sehatra io, dia misy vy manarona io kodiarana io ka raha somary ratsy fipetraka dia mety hitera-doza. Efa maromaro ihany ireo mpiasa amina « vulca » no mitondra takaitra amin’io fanamboarana kodiarana kamiao io. Araka izany, azo heverina fa mety ho izay no nahazo ireto olona telo maty tsy tra-drano ireto. Mafy dia mafy tokoa mantsy ny fipoahana, raha ny filazan’ireo nanatri-maso, ary nipitika lavitra mihitsy ireto olona ireto. Ambonin’ny faharatrana goavana, dia isan’ny nitarika ny fahafatesan’izy ireo ihany koa ny dona mafy nahazo azy ireo. Nezahina nentina tany amin’iny toeram-pitsaboana ihany ireto olona ireto, saingy efa tsy nisy azo natao intsony. Efa tonga teny amin’iny toerana nitrangan’ny loza moa ireto tompon’andraikitry ny filaminanana misahana iny faritra iny. Misokatra ihany tetsy an-danin’izany ny fanadihadiana mahakasika ity loza ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici