May ilay môtô, may ny trano. Naratra mafy ihany koa ity lehilahy iray izay nipoahan’ny lasantsy teo am-panamboarana môtô ity. Tany Imerintsiatosika no nisehoan’ity tranga mampalahelo ity raha ny fampitam-baovao azo. Araka ny fantatra dia tia mikitikika sy manamboamboatra ny môtô-ny ity lehilahy iray ity. Teo am-panamboarana izany mihitsy anefa izy, izay tsy maintsy nisy kojakoja sasàna amin’ny lasantsy, no nisy namany nifoka sigara teo akaikiny. Tsy tandritandrin’ity namany ity, nony efa vitany, ilay sigara mbola nirehitra fa natsipiny tamin’izay toerana tandrifin’ny tanany. Nahazo ilay lasantsy nanasàna ireo kojakojana môtô izany ary dia nidedaka ny afo. Vetivety dia nahazo ny fitoeran-dasantsin’ity kodiaran-droa ary nipoaka. Nipitika lavitra mihisy noho ny hamafin’ny fipoahana ilay lehilahy izay naratra mafy tokoa. May tanteraka ny tarehiny sy ny vatany ary niempaka mihitsy ny hodi-tsandriny. Nahita izany ireo fokonolona teo akaiky dia samy niezaka avokoa namonjy. Saika tsy tafavoaka tao anaty afo ilay ranamana raha ny loharanom-baovao azo. Ny afo, izay nahazo ny trano ihany koa ary nampirehitra izany tanteraka. Nentina novonjena haingana teny amin’ny hôpitaly moa ity lehilahy ity. Ary efa an-dalam-pitsaboana ireo mpitsabo izay manao izay tratry ny heriny hamonjena ity rangahy iray ity. Na izany na tsy izany anefa dia somary atahorana ihany ny ainy noho ny halebiazan’ny fahamaizana, hoy ireo mpitsabo.
m.L