Ravan’ny zandary avy eny Imeritsiatosika ny andian-jiolahy nirongo fitaovam-piadiana marobe nikasa hanafika olona taty an-drenivohitra. Nahazo hafatra tamin’ny telefonina ny lehiben’ny zandary eny an-toerana fa misy olona maromaro mandeha taxi-brousse ho aty Antananarivo. Ny alarobia tamin’ny 7 ora hariva no naharaisana izany filazana izany. Nihomana ny mpitandro filaminana notarihan’ny CB tany an-toerana. Nahetsika avokoa ny zandary rehetra niasa tamin’io fotoana io. Rehefa nandalo ilay fiara dia nosakanana. Raha nahita izany ny roa tamin’ireo olona ireo dia nikasa handositra. Famaky no teny aminy. Tsy afaka nandeha lavitra anefa izy ireo fa tratra. Natao ny fisavana ilay fiara sy ny olona tao anatiny. Tamin’izany no nahitana fitaovana marobe fitondra mamaky trano sy manafika. Olona 06 no tratra tamin’io fiara fitanterana io. Tratra tamin’izany ny famaky roa, antsy iray, Barre à pince efatra, basy vita gasy iray, bala calibre 12 chevrotine telo sy bala Kalaky iray, moara iray, fanafody gasy iray, hazo mainty iray, jiro roa, telefonina roa, sarontava iray. Rehefa natao ny fanadihadiana dia Remagnonotse no nitarika azy ireo ary nitana ny basy vita gasy. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa ramatoa mpandraharaha iray no hotafihan’izy ireo. Vola 10 tapitrisa ariary no halaina amin’izany. Mpiasa iray amin’ireo miasa ao amin’ity mpandraharaha ity no milaza izany. Mbola misy fito lahy naman’izy ireo karohina amin’izao fotoana izao. Mpivarotra vy eny Ambalavao Isotry ny akamaroan’izy ireo ary mipetraka eny Ambatofotsy gara.
nangonin’i r.s.