Mitombo isa hatrany ireo niharam-boina nateraky ny rivo-doza nandalo teo amintsika. Noho ny fikaran’ny rano dia nisy olona roa indray namoy ny ainy ny herinandro lasa teo, tany amin’iny faritra Imeriatsiatosika iny. Araka ny fantatra hatrany dia mpiralahy izy ireo, izay 32 taona ny zokiny ary 28 taona ny zandriny. Teo am-piampitana ny reniranon’i Mahazina izy ireo no nitranga ny loza. Noho ny haherin’ny rano mantsy no lasan’ny rano izy miralahy ireto. Nisy nahita ny loza nihatra tamin’izy ireo ka nisy avy hatrany ny famonjena natao. Saingy indrisy fa tsy avotra intsony izy roalahy ireto. Nantsoina avy hatrany ary tonga teny an-toerana ireo tompon’andraikitry ny filaminana niaraka tamin’ny mpitsabo. Vetivety ihany moa dia hitan’ireo mpanavotra ny vatana mangatsiakan’izy ireo ary efa nomena ny fianakaviany, rehefa avy notsirihan’ireo tompon’andraikitra amin’izany.
m.L