- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-Divers“IMT” Toamasina : Feno roa taona nampiraisana tanora tamin’ny alalan’ny “facebook”

“IMT” Toamasina : Feno roa taona nampiraisana tanora tamin’ny alalan’ny “facebook”

Nankalaza ny jaobily faha-2 taonany amin’ity taona ity ny fikambanana iray niforona teo anivon’ny fampiasana ny tambajotran-tserasera “facebook”, antsoina IMT, na Ino Maresaka Tamatave. Ho fankalazana izany fampiraisan’izy ireo ny tanoran’i Toamasina izao dia nisy ny fiarahana nataon’izy ireo tao amin’ny ivon-toerana “Taratra Village”, lalam-pirenena faha-5 ny sabotsy teo.

Ho fanehoana ny firaisan-kinan’ny samy tanora mpikambana ny hetsika, ho fifampiarahabana noho ny taona vaovao ihany koa. Tsy vitan’ny fifampiseraserana amin’ny alalan’ny “facebook” fotsiny no ifanaovan’ireo mpikambana ao aminy, fa eo indrindra ihany koa ny fanampiana sy asa soa samy hafa ary ny fiaraha-mientana amin’ny rehetra ho fampandrosoana an’i Toamasina amin’ireo asa fanampiana ataon’izy ireo. Misy ihany koa ny fampitana vaovao amin’ny alalan’ny “facebook” ataony izay fomba iray hahalalan’ny rehetra ny tena zava-misy marina eo amin’ny faritra misy ny mpikambana tsirairay avy.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici