Miafina ao ambadiky ny fiompiana ity jiolahy rain-dahiny ity rehefa avy mahavita ireo asa ratsiny. Nefa dia izao voasambotry ny pôlisy avy ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny heloka bevava izao ihany, tany Marovoalavo, Beforona.
Saron’ny mpitandro filaminana ny jiolahy rain-dahiny antsoina hoe Erik, na Rafy. Tamin’ny alalan’ny vaovao voarain’ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa manana toby fiompiana any Marovoalavo Beforona, manakaiky an’i Moramanga iny ity olon-dratsy ity. Nidinana tany an-toerana ary dia sarona tao tokoa ity jiolahy mpaka an-keriny ity ny 17 septambra lasa teo. Araka ny fantatra dia efa in-telo nigadra ity jiolahy rain-dahiny ity kanefa dia tafatsoaka ny fonja nitanana azy foana, raha ny voalazan’ny mpitandro filaminana. Tamin’ny taona 2002 no nahavoasambotra azy voalohany, noho ny resaka fangalàna an-keriny. Tafatsoaka tamin’izany fonja izany indray anefa izy. Voasambotra indray ny taona 2003, noho ny resaka fangalàna an-keriny foana, ary tafatsoaka ny taona 2005. Voasambotra ny taona 2007, ary afaka niporitsaka indray, raha teny am-panaovana asa an-terivozona. Ary izao izy tratra izao. Raha ny filazan’ireo pôlisy hatrany dia tsy manana asa ankoatra ity resaka fangalàna an-keriny ity ny lehilahy. Isan’ireo mpiaraka tamin-dry Lamà sy ny ekipany mantsy izy. Rava ny tarik’ireto mpanka an-keriny rain-dahiny ireto, tamin’ny nahafaty an’i Mahandry, dia tafiaraka tamin-dry Jaffar indray. Voasambotra ity farany ny taona 2009, tafaporitsaka tamin’izay fotoana izay ihany koa anefa Rafy. Araka ny vaovao voaray hatrany, ny tranga farany nataony dia ny fangalàna an-keriny teratany karàna tetsy Andravoahangy. Isan’ireo noahiahiana tamin’ilay fangalàna an-keriny an’i Alek Owen tany Tomasina ihany koa ny lehilahy na dia tsy mbola niaiky ny heloka vitany aza izy, hoy hatrany ireo mpanao fanadihadiana. Niaiky kosa anefa ity olon-dratsy ity fa isan’ireo nandray anjara tanteraka tamin’ilay fangalarana ny volan’ny CT niseho tamin’ny taona lasa. Mametraka ahiahy araka izany ireo teratany saika hiharan’ny asa ratsin-dRafy, ny amin’ny sao dia hahatafatsoaka azy faninefany indray, ka manaitra ny sain’ireo tompon’andraikitra, hoy hatrany ny fanazavana nomen’ireo mpitandro filaminana.
m.L