- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversInanantonana Betafo : Hiakatra Fampanoavana anio ireo voasambotra

Inanantonana Betafo : Hiakatra Fampanoavana anio ireo voasambotra

Roa andro taoarian’ny fisamborana ireo voatonona fa nandoro ny biraon’ny kaominina nandritry ny  hetsiky ny fokonolona amin’ny tsy naneken’izy ireo ny ben’ny Tanana notendren’ny filankevim-panjakana, dia anio no voalaza fa hiakatra fampanovana ny raharaha. Fantatra fa efa nitolo-tena tany amin’ny  mpitandro filaminana ilay ben’ny Tanana teo aloha nanaovana fanadihadiana, fa tsy nokarohina fatratra  araky ny vaovao niely akory. Fokonolona aman-jatony avy ao Inanantonana  kosa  no efa tonga teto Antsirabe hatramin’ny omaly Alatsinainy sahy hijoro ho vavolombelona, fa hetsiky ny fokonolona no niseho tao Inanantonana fa tsy hetsiky ny  andian’olona akory. Nambaran’ireo solontenan’ny fokonolona fa nisy  ny nanararaotra nanakorontana tamin’io fotoana io ka nitarika hatramin’ny fandorana ny kaominina   mba handotoana ny fitakian’ny fokonolona, hetsika efa maty paika raha ny fanazavana hatrany. Raha ny tsilian-dresaka re aza moa, dia misy hifandraisany amin’ny resa-pinoana ity raharaha-politika ao Inanantonana ity.

Andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha anio.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici