Taorian’ny sakoroka niseho tany Inanantonana, nandritra ny famindram-pahefana teo amin’ny ben’ny tanàna, izay niafara tamin’ny fandorana ny biraon’ny kaominina, dia niroso tamin’ny fisamborana an’ireo voatondro ho nitarika ny korontana ny mpitandro filaminana. Tamin’ny sabotsy maraina teo no tonga tany an-toerana ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny Emmo-Reg, nitsimpona ireo voatondro. Araka ny fantatra dia fito no voasambotra hatreto ka isan’izany ny pasitera iray efa misotro ronono, voatondro ho nandray anjara tamin’ity fandorana ity kaominina ity. Ankaotra azy, nisy tovolahy kely mbola tsy ampy taona koa voarohirohy tamin’ity raharaha ity. Marihina fa taorian’ny tranga dia nitondra ny fitoriany teo anivon’ny tribonaly ny andian’olona mitonona ho fokonolona eo an-toerana. Nahatratra 42 isa ireo nanao sonia tao anatin’ny fitoriana ary isan’ny voantonana ao ilay pastora voasambotra io. Miisa 23 kosa ireo voatondro ho nandray anjara mivantana tamin’ny fandorana. Raha tsiahivina, ny datin’ny 7 febroary lasa teo no nanaovana ny famindram-pahefana teo amin’ny ben’ny tanàna. Isan’ireo kaominina dimy eto Vakinankaratra nahitana olana teo amin’ny fifidianana ity kaominina ao Inanantonana ity, ka nanoloan’ny fanjakana ilay ben’ny tanàna lanim-bahoaka na dia efa nisalotra ny samboady tamim-pomba ofisialy aza. Raha ny fantatra moa dia nofoanana ny biraom-pifidianana iray tao, izay isan’ny tena naha be vato ny kandida Rakotonirina Elison. Nilaza kosa ny ben’ny tanàna niditra napetraky ny fanjakana, Randrianantenaina Elia Patrick, fa nitombina ny fitoriany ka izay no antony nanafoanana io biraom-pifidianana io.
Hatramin’izao moa dia tsy mbola tafapetra eo amin’ny toerany io ben’ny tanàna niditra io fa ny lefitr’ilay ben’ny tanàna teo aloha no notendren’ny lehiben’ny distrikan’i Betafo hitantana vonjimaika ny kaominina.
Andry N.