- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-Divers« Infirmier » nisy naka an-keriny : Roa lahy voasambotry ny...

« Infirmier » nisy naka an-keriny : Roa lahy voasambotry ny zandary

Ny zoma lasa teo dia nisy roa tamin’ireo olon-dratsy mpaka an-keriny indray no voasambotra. Natao sarika am-pandriana tany amin’iny faritra Atsimo Atsinanana iny mihitsy izy ireo, araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandary. Raha ny fantatra hatrany, dia isan’ireo nandray anjara nivantana tamin’ilay fakàna an-keriny mpitsabo mpanampy iray tao Manakana Tsaratanana izay nitranga tokony ho tapa-bolana lasa izay izy ireo. Rehefa nandeha tokoa mantsy ny fanadihadiana, dia voalaza fa nandeha nitsoaka ary nisy nahita tany Vaingandrano ny iray tamin’ireo mpaka an-keriny. Nisy avy hatrany ny fifandraisana teo amin’ireo kaompanian’ny zandarimariam-pirenena tao Ambatondrazaka sy ny tao Vaingandrano, ka nahafahana nisambotra lehilahy iray. Ity farany izay noraisim-potsiny tao an-tranony. Lehilahy iray hafa ihany koa izay ahiahiana fatratra ho tafiditra tao anatin’ity raharaha fakàna an-keriny ity ihany no nosamborina tany. Efa samy nalefa any Farafangana, natao fanadihadiana avokoa moa izy roa lahy ireto. Eny fa na dia teo tokoa aza ny voina nihatra tamin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana tamin’ny fanenjehana ireo mpaka an-keriny tany amin’iny faritra Betsiboka iny, dia tsy mitarain-tana-miempaka izy ireo amin’ny fanantanterahana ny asany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici