- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversIray volan’ny ankizy : Ankizy manana fahasembanana 90 nampilalaovina

Iray volan’ny ankizy : Ankizy manana fahasembanana 90 nampilalaovina

Nampifaliana tanteraka ireo ankizy manana fahasembanana.

Ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy soa aman-tsara isika izao volana jona izao. Nanatanteraka hetsika mifandraika amin’izany ny ONG Merci, izay ao anatin’ny tetikasa Voizo Analamanga, nentina nampifaly sy nampilalao ankizy manana fahesembanana miisa 90. Natao omaly izany hetsika izany teny amin’ny Espace Dera Tsiadana, ka nampitondraina ny lohahevitra hoe Ankizy manana fahasembanana misitraka ny zony, mangana firenena vanona. Fampilalaovana ireo ankizy amin’ny kilalao mifandraika amin’ny zon’ny ankizy no natao, indrindra ny zon’ny ankizy manana fahasembanana. Nisy ny fampialana voly tamin’ny alalan’ny fanentanana sy seho an-tsehatra, fiaraha-misakafo ary fizarana kilalao sy harendrina entina miatrika ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra voalohany avy amin’ny ONG Merci dia ankizy avy amin’ny kaominina maro  ato amin’ny faritra Analamanga ireo notsongaina ireo, izay niaraka tamin’ny fianakaviany iray avy. « Tanjona ny fampahafantarana ny zon’ny ankizy, ny fampidirana ny manana fahasembanana ao anatin’ny fiaraha-monin’ny ankizy maro an’isa», hoy ny fanazavana. « Anisan’ny nahafaly anay ny fijerena manokana toy izao, ary nahafantatra fa manana zo tahaka ny ankizy rehetra ihany koa izahay », hoy ny solontenan’ny ankizy manana fahasembanana.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici