- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversIsaac Mamonjisoa : Voarohirohy ho atidohan’ny fanafihana mitam-piadiana

Isaac Mamonjisoa : Voarohirohy ho atidohan’ny fanafihana mitam-piadiana

Efa teny am-ponjan’ Antanimora izy no navoaka indray, ny alarobia teo ary nohenoin’ny pôlisy mpanao fanadihadiana, noho ny raharaha hafa indray izay mahakasika fanafihana mitam-piadiana. Izany dia taorian’ny nahasamboran’ny pôlisy lehilahy iray mpanao fanafihana mitam-piadiana teny Antanimena ,ny fiandohan’ity herinandro ity. Io farany izany no nanondro an’Isaac Mamonjisoa ho tompon’antoka sy atidoha nikotrika ny fanafihana izay notontosain’izy ireo. Dia niainga tamin’izay ihany koa ny dosie vaovao izay nosokafan’ny pôlisy mpanao fanadihadiana ary niafara tamin’ny fangatahana didy fahafahana manitatra fanadihadiana olona efa any am-ponja. Didy izay neken’ny fitsarana ny famoahana azy. Raha tsiahivina, dia raharaha mahakasika fisolokiana no namonjana vonjimaika ity lehilahy fanta-daza amin’ny lafiny pôlitika ity. Niitatra indray anefa izany ary lasa mafimafy kokoa ny vesatra izay mahakasika azy. Ho an’nympanara-baovao, dia fahafatesana ara-pôlitika ho an’ity tanora ity izao raharaham-pitsarana samihafa izay miandry azy izao. Saingy hatreto dia mbola voarohirohy fotsiny ihany izy, fa ny fitsarana izay mbola hoavy no tompon-teny farany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser