Ny talata 15 janoary lasa teo, dia nitrangana fanafihan-dahalo ny tao Antsahabe, fokontany Dabozato, kaominina ambanivohitra Isalo, ao anatin’ny distrikan’i Miandrivazo. Lasan’ireo dahalo tamin’izany, ny omby miisa 115 sy takalonan’aina telo mianaka. Nampandrenesan’ny fokonolona avy hatrany ny miaramila avy amin’ny toby holafy 511 avy ao Miandrivazo nandray an-tanana avy hatrany ny fanenjehana ireo mpanao asa ratsy. Nandritra ny fifandonan’ny miramila sy ireo jiolahy, dia dahalo roa no lavon’ny balan’ireo miramila ary avotra soa aman-tsara ireo telo mianaka natao takalon’aina. Mitohy hatrany ny fanenjehana ireo dahalo sy ny fikarohana ireo omby zato sisa tavela.
Anastase