« Pachypodium » ny anarana ara-tsiantifika hiantsoana azy saingy « baobab nain » kosa no tsotsotra kokoa ho an’olon-tsotra. Izany hoe baobab kely somary maranitra ary tena manome endrika ny tontolo iainana. Izany rahateo no isan’ny manintona ny mpizahatany maro hitsidika an’Isalo. Ankehitriny anefa dia misesy ny fangalàrana azy ireny hatramin’ny fakany. Mazava hoazy fa mbola hambolena indray avy eo saingy any amin’ny toeran-kafa izay tsy ara-boajanahary nitsiriany. Ny faran’ny herinandro teo dia nahita vatany miaraka amin’ny fakany izay miisa 400 isa ireo fikambanana misehatra amin’ny fizahan-tany. Efa vonona ny hotaterina izy ireo ary efa napetraka tsara tamin’ny toerana iray. Saingy mety henon’ireo olon-dratsy ny fiavian’ireo mpikambana amin’ny fizahan-tany izay nihaza azy ireo ka tafaporitsaka ireo jiolahy. Ho an’ireo olona anaty fikambanana izay sarotiny amin’ity toe-javatra ity dia tsy misy afa-tsy ny fanondrànana no ao ambadik’izao. Ny antony dia satria ho tratra foana raha mbola eto amin’ny nosy hatrany no hambolena ireo “pachypodium” ireo. Sarotra rahateo ny fikarakarana azy satria am-polony taona vao mitsiry ary latsaky ny herintaona indray dia mety ho efa maty. Izany hoe manaraka izy dia maty. Eo indrindra ny olana satria raha miala amin’ny tany voajanahary naniriany izy dia mety ho tapitra tanteraka ary ho lany tamingana. Tsy fantatr’ireo olon-dratsy izay tsy mieritreritra ankoatra ny tombontsoany anefa izany ary dia lasa mirongatra ny halatra “pachypodium” izay eto Madagasikara no isan’ny firenana vitsy misy azy. Manahy mafy ny mpiantsehatra amin’ny fizahan-tany ary misintona ny lakolosy fanairana mba ho fiarovana ity zava-maniry ho lany tamingana ity raha tsy misy ny fepetra haingana sy matotra horaisina. Manahy izy ireo satria hatramin’ny fizahan-tany ao Isalo no mety hiara-hirodana amin’ity fangalarana izay misy amabadika fanondrànana ity.
D.R