- Publicité -
mardi, mai 20, 2025
AccueilFaits-DiversIsandra : 16 lahy mitazona kalach nanafika sy nandoro trano

Isandra : 16 lahy mitazona kalach nanafika sy nandoro trano

Amin’ny sivy ora maraina no nitranga ny fanafihana ny alarobia teo. Vatan-dehilahy miisa 16 izay mitazona fitaovam-piadiana mahery vaika kalachnikovs no tompon’antoka tamin’izany. Nasesin’izy ireo ny trano maromaro tao amin’ny fokontany antsoina hoe Ambatolahinandriana, ao amn’ny kaominina Fanjakana, eo anivon’ny distrikan’Isandra. Rehefa vita ny fandrobàna dia nasesin’izy ireo indray ny fandorana ireo trano. Izany no niainan’ny olona monina tao amin’io fokontany io. Raha ny tomban’ireo olona dia manodidina ny 20 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy ary manginy fotsiny ny entana isan-karazany izay nobataina. Hatramin’ny fitaovam-piadiana izay mba notehirizin’ny olona aza mba hiarovan-tena dia lasa tao ihany koa. Tamin’ity tranga ity dia tsy nisy nampandre ny mpitandro ny filaminana raha tsy ny ampitso tolakandron’ny nitrangan’ny fanafihana. Teo vao natao ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy saingy tsy nahitam-bokany intsony izany. Tsy misy azon’ny fokonolona natao manoloana ny isan’ireo olon-dratsy, indrindra koa miaraka amin’ny basy kalachnikovs izay teny an-tananan’izy ireo. Sarotra ny miady amin’izany ary na ny mpitandro ny filaminana aza, raha vitsy an’isa dia ho sahirana koa ny hifanehatra amin’ny 16 lahy mitazona kalachnikovs izany. Ahoana no hahazoan’ny dahalo fitaovam-piadiana mitovy lenta amin’ny ampiasain’ny mpitandro filaminana? Raha mbola mitohy hatrany ny fiparitahan’ireny basy ireny dia tsy ho voafehy mihitsy ny filaminana eto amin’ny nosy. Mila fantarina ny isan’ny basy tsirairay avy sy ny toerana na toby misy azy ireny mba hamantarana koa izay mety ho tompon’andraikitra rehefa misy basy hita na voageja. Ny olana mantsy dia lasa sorona hatrany ny vahoaka noho ny goragora ary na ny zandary izay alefa miady any anaty akata aza dia lasa manao vy very ny ainy satria sady vitsyizy nefa manana fitaovam-piadiana mitovy amin’ny ampiasain’izy ireo ny dahalo enjehiny, ary mbola maro noho izany aza. Hatreto, ny tsikaritra dia ny vahaolana avy amin’ny fampiasana teknolojia kokoa no haroson’ny politika mba hiadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana. Sao kosa dia ny rafitra misy no tokony hovaina. Atao izay hanampiana an’isa ny mpitandro ny filaminana tena midina an-tsehatra any ambanivolo any ary ahena ireo miambina toby fotsiny, miandry faran’ny volana fotsiny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici