- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversIsandra : Lehiben'ny dahalo maty voatifitra

Isandra : Lehiben’ny dahalo maty voatifitra

Kalach iray sy basy telo hafa tratra tao an-tranony. Taorian’ny nahafaty ilay mpimasin-dahalo rain-dahiny any amin’iny distrikan’Isandra iny ary voalaza fa mpiray tendro amin’ireo lehiben’ny dahalo mampikaikaika ireo mponina any an-toerana dia fantatra fa iray amin’ireto farany no lavo voatifitra tany an-toerana. Mbola nahit?na fitaovam-piadiana maromaro ihany koa tao aminy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia manao ranolava ny fahazoam-baovao avy amin’ireo mponina mahakasika ireo dahalo any amin’izy ireo. Teo aloha teo mantsy dia samy matahotra avokoa ireo fokonolona, ny amin’ny valifatin’ireto farany fa indrindra angamba noho ny fisian’ilay mpilalao ody naman’ireo olon-dratsy. Taorian’ny nahafaty ity farany anefa dia toa tsy izay intsony no nitranga ary izao nahafahana nisambotra lehiben’ny dahalo iray izao, ny alahady lasa teo, tany amin’iny faritra Matsiatra Ambony iny. Raha ny fantatra tokoa dia tratry ny velam-pandriky ny zandary tao Mahazoarivo, Isandra ity olon-dratsy ity. Teo am-panamborana azy anefa dia mbola nikasa ny hanao kolikoly tamin’ireo zandary indray ingahirainy. Ary dia vola be tokoa ny naraviraviny teo ambany mason’ireo mpisambotra azy, ho fanadiovana ny raharaha malotony rehetra. Marihana, hoy ny vaovao fa tamin’ny fotoana nisav?na ny tranony dia nahit?na fitavaom-piadiana mahery vaika iray, kalachnikov niaraka tamin’ny bala, basy vita gasy iray ary basim-borona roa tsy ara-dal?na tao an-tokatranony. Soa ihany anefa fa tsy tafalatsaka tao anaty fakam-panahy ireo mpitandro filaminana. Vao maika aza nampitombo indray ny vesatra niampangana azy izao fikas?na hanao kolikoly izao ambonin’ny fitazomana fitaovam-piadiana tsy ara-dal?na, fikambanan-jiolahy ary fanafihana mitam-piadiana. Teny an-dalana hitondr?na azy ho any amin’ny birao anefa no sendra ny tampoka ireo mpitandro filaminana. Voalaza mantsy fa nisy andian’olona maromaro nirongo fitaovam-piadiana nanakana ny dian’izy ireo ary avy hatrany dia nitifitra. Raikitra ny fifandonana ka nisy maromaro tamin’ireo mpanakan-dalana no voa saingy naratra fotsiny ihany ary nentin’ireo namany nitsoaka. Tao anatin’izany sakoroka izany no nanaraotra nitsoaka ilay lehilahy voasambotra. Tsy lasa lavitra anefa dia voan’ny balan’ireo mpitandro filaminana ka dangy avy hatrany. Iretsy namany saika hanavotra azy kosa, lasa nirifitra nitsoaka avokoa, rehefa hitan’izy ireo fa tsy ho resy tosika ireo zandary. Tsiahivina hoy hatrany ny loharanom-baovao fa efa ela nikarohana ity farany ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana, noho ireo fanafihan-dahalo nisesisesy tany amin’iny faritra iny, ary saika izy avokoa no tompon’antoka sy ati-doha tao ambadik’izany. Efa voasambotra ny volana janoary lasa teo ranamana saingy nahazo fahafahana vonjimaika ary izao maty voatifitra izao ny niafarany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici