- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversIsandra : Mpivaro-damba notafihan’ny 10 lahy nitam-piadiana

Isandra : Mpivaro-damba notafihan’ny 10 lahy nitam-piadiana

Na dia eo aza ny fampandrian-tany ataon’ny mpitandro filaminana, ka naharava ny toerana fiheren’ireo dahalo, toy ny tao Mahazoarivo, Vatolava, Ambaladera II, dia mbola mitohy hatrany ny fanafihan- dahalo any amin’ny distrikan’ Isandra, faritra Matsiatra Ambony. Raha ny vaovao voaray, dia renim-pianakavina iray mpivaro-damba izay nivarotra teo ampovoan-tsenan’ Andoharanomaitso no nenjehin’ny 10 lahy nirongo antsy lava, famaky, lefona, pilotra, ny antoandron’ny 3 jona teo, tokony tamin’ny iray ora.

Andian-dahalo tanora tsy ampy taona. Tafatsoaka anefa ilay vehivavy ka tsy azon’ireto andian-dahalo tanora (manodidina ny 15 taona eo avy), izay voalaza fa avy any Mahazoarivo, ny poketra nisy ny vola teny amin’ity mpivarotra mpamongady « confection » ity. Noho ny tahotra, dia nitazam-potsiny ireo teo amin’ny manodidina. Raha ny tati-baovao voaray hatrany, talohan’io fanafihana io, ny maraina, dia nanao fisafoana tao an-tsena ny zandary ao an-toerana. Rehefa dify anefa ireto mpitandro filaminana, dia niroso tamin’ny asa ratsiny ireo mpanani-bohitra.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici