Anisan’ny faritra mena amin’ny asan-dahalo raha iny distrika Isandra iny. Nisy anefa ny fanentanana nataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana ka nilavo lefona tsy nisy rà latsaka ny dahalo sasan-tsany, ary namerina ny fitaovam-piadiana teny am-pelan-tanany. Fantatra ary fa basy mahery vaika miisa folo no naverin’izy ireo, tany amin’ny mpitandro filaminana. Tao amin’ny kaominina Ambalamidera sy Mahazoarivo no nisian’izany ny herinandro teo. Ireto fitaovam-piadiana ireto dia marihana fa samy tsy nisy ara-dalàna avokoa ary fitondran’izy ireo manatanteraka ny asa ratsiny. Nahitàna basy « kalach » roa, Mas 36 iray ary basim-borona fito. Fa teo ihany koa ny bala niaraka tamin’izany fitaovam-piadiana izany, izay niisa 26 ka ny 24 dia mirefy 7,62mm ary ny roa, 7,5mm. Azo lazaina araka izany fa dingana lehibe eo amin’ny resaka fampandriana fahalemana izao vita izao, indrindra moa fa hoe any amin’ny faritra izay hikoizana amin’ny resaka asan-dahalo. Tsy mijanona hatreo anefa ny ezaka fa mbola manohy ny fanentanana hatrany ireo tompon’andraikitra any an-toerana.
nangonin’i m.L