Renim-pianakaviana iray 45 taona eo, izay voalaza fa bevohoka, no maty may irery tao an-tranony, nodoran’ireo dahalo 20 isa nitondra basy sy zava-maranitra nanafika alina, tokony tamin’ny valo ora, tao an-tanànan’ Antanamarina Anjoma, any amin’ny distrikan’ Isandra, Faritra Matsiatra Ambony, ny herinandro iny. Rehefa avy nanapoitra tamin’ny baramina avy any ivelany varavaram-ben’ny trano ny ampahany tamin’ireo malaso, dia niditra an-keriny tao an-trano. Niandry tety ivelany kosa ny ambiny. Rehefa avy nanery ny tompon-trano hamoaka vola ireo dahalo, dia naka izay entana zakany tao an-trano. Nohidian’ izy ireo tao an-tranony avy teo ilay vehivavy, ary nodoran’ireo dahalo ny trano, ka tsy afaka nanavotra aina intsony ilay renim-pianakaviana na dia nikiakiaka niantso vonjy aza. Naratra mafy voakapa famaky ny vadiny. Niezaka namonjy azy ny vadiny kanefa voafira famaky teo amin’ny lohany ka naratra mafy. Tsy nisy sahy nanohitra kosa ny iray an-tanàna nanoloana ny poa-basy variraraka nentina nampihorohoroana ny olona. Efa lasa lavitra minitra maromaro teo ireo malaso vao samy nivoaka ny tranony ny manodidina, ary teo vao samy nikoropaka namono afo, kanefa ilay ramatoa amin’io efa maty kila tsy azo niala-nenina intsony, niaraka tamin’ireo entana sisa tsy lasan’ireo jiolahy tao an-trano, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa